Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Koa ankehitriny dia atolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko ny taninareo rehetra; ary atolotro hanompo azy na dia ny bibidia aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary ankehitriny, Izaho no nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko; eny, na dia ny bibidia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Koa ankehitriny dia atolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko ny taninareo rehetra; ary atolotro hanompo azy na dia ny bibidia aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Koa ankehitriny, efa natolotro eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko, ireto tany rehetra ireto; nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha aza, hanompo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary ankehitriny, Izaho no nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, mpanompoko; eny, na dia ny bibidia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:6
19 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanaovany teny mamy izy ary nomeny toerana ambony kokoa noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babilôna.


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»


Hoy Aho ny amin’i Kirôsa: ‹Izy no mpiandry ondriko. Hotanterahiny izay sitrako rehetra, ka dia hanome baiko izy mba haorina indray i Jerosalema ary hamboarina indray ny tempoly.› »


Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


Hatolotro ho eo an-tanan’ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy ny andian-tafiny.


Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan’ny tempoliny. Taorian’ny nitondran’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna an’i Jekônià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, sy ireo mpifehy an’i Joda mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilôna no nisehoan’izany.


dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Sady nampian’i Jeremià hoe: –Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Zioga vy no apetrako eny an-tsoroky ny firenena rehetra amin’ity faritany ity, ka hanompo an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izy; eny, na dia ny bibidia aza dia hampanekeko azy koa.»


Dia ambarao amin’ireo hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho haniraka hampaka an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay mpanompoko, ka eto ambonin’ireto vato izay nalevina eto ireto no haoriko ny sezafiandrianany, ary eto no hamelarany ny trano lain’ny mpanjaka.


Ry olon’i Hatsôra, mandosira lavitra ka misitriha any anaty lava-bato, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Fa manana fikasana hamely anareo i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, ary nanomana tetika hahavoa anareo.


Hataoko tany lao dia lao i Ejipta; ary ho rava dia ho rava ireo tanànany. Haharitra efapolo taona izany mba hanereko ny Ejiptianina hiely any amin’ny firenen-kafa sy hiparitaka any an-tany hafa.


Homeko tanjaka ny sandrin’ny mpanjakan’i Babilôna ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany. Ary ny Farao, izay efa nopotehiko ny sandriny, dia ho faty mitoloko toy ny voaratra eo anoloan’ny fahavalony.


Kanefa avelao ao amin’ny tany, eo anivon’ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Aoka ho kotsan’ny ando io foto-kazo io; ary aoka izy hihinana ahitra tahaka ny biby.


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra