Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Fa manan-kolazaina ny TOMPOn’izao rehetra izao momba ireo andry sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kovetabe misy tongony mbamin’ireo fanaka hafa mbola eto Jerosalema. (

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Fa manan-kolazaina ny TOMPOn’izao rehetra izao momba ireo andry sy ilay fitobian-drano goavana ary ireo kovetabe misy tongony mbamin’ireo fanaka hafa mbola eto Jerosalema. (

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, ny amin’ireo andry, ranomasina, fototra mbamin’ny fanaka sisa tafajanona amin’ity tanàna ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny amin’ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny amin’ny andry sy ny koveta sy ny fitoerana koveta ary ny amin’ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ity tanàna ity,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:19
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Hirama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony ary 15 metatra ny morony manodidina azy.


Dia nanao kalesy halimo folo i Hirama; efamira avy izy ireo ka nirefy roa metatra ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony.


Nopotehin’ny Babilônianina ireo andry halimo tao an-tranon’ny TOMPO mbamin’ireo kalesy ary ilay fitobian-drano halimo goavana teo an-kianja; dia nentiny nankany Babilôna avokoa ny halimo tamin’izany.


Ny andry tsirairay dia sivy metatra ny haavony ary misy lohany halimo izay mahatratra iray metatra sy sasany ny haavony sady voaravaka harato sy ampongabendanitra halimo ny manodidina azy. Mitovy ireo andry roa sy ny ravaka natao taminy.


Nalain’io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ireo manampahefana; ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilôna.


Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan’i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin’ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo ô tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra