Jeremia 27:18 - DIEM PROTESTANTA18 Sady nampian’i Jeremià hoe: «Raha mpaminany tokoa ireo olona ireo, ka tena mitondra ny hafatra avy amin’ny TOMPO, dia aoka izy hangataka amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba tsy havelany hoentina any Babilôna ireo fanaka sarobidy sisa mbola ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto an-tanàna. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’NY TOMPO dia aoka hifona amin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, izy, mba tsy ho lasa ho any Babilona koa ny fanaka sisa ao amin’ny tranon’NY TOMPO sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Sady nampian’i Jeremià hoe: «Raha mpaminany tokoa ireo olona ireo, ka tena mitondra ny hafatra avy amin’ny TOMPO, dia aoka izy hangataka amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao mba tsy havelany hoentina any Babilôna ireo fanaka sarobidy sisa mbola ao an-tranon’ny TOMPO sy ao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda na eto an-tanàna. Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Raha mpaminany izy ireo ka ao aminy tokoa ny tenin’i Iaveh, aoka izy hifona amin’i Iavehn’ny tafika mba tsy ho lasa any Babilôna ny fanaka sisa tavela ao an-tranon’i Iaveh sy ao an-tranon’ny mpanjakan’i Jodà ary ao Jerosalema. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’i Jehovah, dia aoka hifona amin’i Jehovah, Tompon’ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’i Jehovah sy ao an-tranon’ny mpanjakan’ny Joda sy ato Jerosalema. Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema Jereo ny toko |
Dia nalain’ireo ny ombilahy izay nomena azy ka nokarakarainy hatao sorona; ary niantso ny anaran’i Bahala izy hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro nanao hoe: «Ry Bahala ô, mamalia anay!» Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka nanodidina ny alitara namboariny izy.