Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Hentitra kosa ny tenin’ny TOMPO hoe: ‹Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin’ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy NY TOMPO, nefa misandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo sy hahalany ringana anareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Hentitra kosa ny tenin’ny TOMPO hoe: ‹Tsy naniraka ireny Aho. Mihambo miteny amin’ny anarako izy, nefa mandainga. Koa raha mihaino azy ianareo, dia horoahiko hiala eto, ka ho lany ringana ianareo sy ireto mpaminany izay maminany aminareo.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin’ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana hianareo, dia hianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:15
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.


Dia hoy ny TOMPO tamiko: –Mandainga ireo mpaminany niteny tamin’ny anarako ireo, fa tsy naniraka na nandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.


Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin’izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia hobaboina. Ary rehefa tonga any Babilôna ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin’ny namanao rehetra izay naminanianao lainga.


Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe: «Hofahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin’i Jerosalema no ipoiran’ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin’ny tany manontolo.»


Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy.


Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.»


Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana.


«Izao koa no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady ilay Andriamanitr’i Israely: ‹Aza manaiky hofitahin’ireo mpaminany izay eo anivonareo na ireo mpisikidy. Aza mihaino ireo mpilaza nofy izay manazava ny nofinareo.


Fa mihambo ho maminany amin’ny anarako izy nefa lainga izany, fa tsy naniraka azy akory Aho, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.›


Ny vehivavy rehetra izay tafajanona ao an-dapan’ny mpanjaka dia hoentina eo amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao izao hira izao ny aminao hoe: Nangolen’ireo sakaiza tianao ianao ka roboka! Fa nony tafalatsaka tao amin’ny honahona ny tongotrao, dia nilaozany nandositra ianao!


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Olona misandoka ho Mesia sy ho mpaminany manko no hijoro, ka haneho famantarana lehibe sy zava-mahagaga hamitahany na dia ny olom-boafidin’Andriamanitra aza raha azony natao.


Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra