Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 22:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Hopaohin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra, ary ho lasan-ko babo ireo tia anao, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Indaosin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baràka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao, noho ny haratsianao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ny mpitondra anao rehetra hopaohin’ny rivotra, Ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, Eny, ho menatra sy hangaihay tokoa hianao noho ny haratsianao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Hopaohin’ny rivotra ny mpitondra anao rehetra, ary ho lasan-ko babo ireo tia anao, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:22
24 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay.


Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY hoe: Indro ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro fa ianareo kosa ho main-ketaheta; indro ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.


Hadalàn’ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan’izay rehetra nandrasany.


Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta ka hanaron-tava amin’ny tanana ianao; satria Izaho TOMPO tsy manaiky ny hitadiavanao io karazam-panampiana io, fa tsy hanambina anao izany.


Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe: «Mba aiza àry izao ny TOMPO?» Ny mpahay lalàna kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitarika nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin’ny anaran’i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin’ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.


Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.


Manadino anao avokoa ireo sakaizanao ary tsy misy miahy anao mihitsy; satria Izaho no nikapoka anao toy ny fahavalo namely anao, ka nofaiziko mafy ianao.


Ary inona ity ataonao, ry Jerosalema? Na miakanjo marevaka aza ianao sy miravaka volamena sady manao manja maso, dia tsy misy ilana ny hatsaran-tarehinao. Fa harian’ireo lehilahy naka anao ianao, sady tadiaviny hovonoina ho faty.


Tsinontsinona ihany ireo mpaminaniny, fa tsy ao aminy ny tenin’ny Tompo. Aoka hotodîn’izay lazainy izy!


Koa mampahasosotra Ahy tokoa ve izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Tsia, fa ny tenany ihany no ampahasosoriny, ka hampahamenatra azy izany.


Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.


Lozan’ny mpiandry adala izay mandao ny ondriny! Enga anie ny sabatra handrotika ny sandriny sy hanapotsitra ny masony ankavanana! Ka dia halemy hatrany anie ny sandriny, ary tsy hahita intsony ny masony ankavanana!


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra