Jeremia 22:12 - DIEM PROTESTANTA12 Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Ho faty any amin’ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ka tsy hahita ity tany ity intsony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo Ka tsy hahita ity tany ity intsony. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 fa ho faty any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo, ary tsy hahita ity tany ity intsony. Jereo ny toko |
Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO ny amin’i Jôiakima, zanakalahin’i Jôsià sady mpanjakan’i Joda: Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan’ny olona hoe: «Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!» «Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!» Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: «Indrisy, ry tompokolahy!» «Indrisy, ry ilay hajaina!»
Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»