Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 20:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanàna noravan’ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran’ady nony mitataovovonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Aoka ho toy ny tanàna izay noravan’NY TOMPO izany lehilahy izany ka tsy nanenenany; aoka handre fitarainana izy nony maraina ary akora lava nony mitataovovonana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanàna noravan’ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran’ady nony mitataovovonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Aoka izany olona izany ho toy ny tanàna noravan’i Iaveh, ka tsy nanenenany! Aoka izy, ny maraina, handre ny fitarainan’ny olon-dresy, ary ny mitataovovonana, ny akoralavan’ny mpandresy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Aoka izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan’i Jehovah Ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina Sy akoralava nony mitataovovonana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan'i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Aoka ho toy ny tanàna izay noravan’NY TOMPO izany lehilahy izany ka tsy nanenenany; aoka handre fitarainana izy nony maraina ary akora lava nony mitataovovonana,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:16
25 Rohy Ifampitohizana  

Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.


Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.


Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»


Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Lehibe noho ny heloky ny tao Sôdôma ny fahotan’ny vahoakako; nefa noravana indray mipi-maso io tanàna io ka tsy nisy nihetsehana akory.


Izaho koa dia hiteha-tanana ho fanaingana ary dia hanampatra ny fahatezerako. Izaho TOMPO no manambara izany›. »


Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.


Handefasako afo ny tanànan’i Rabà ka ho levon’izany ireo lapany; sady hisy akoran’ady amin’ny andro iadiana ka hahery vaika toy ny tafio-drivotra ny fifamelezana.


Handefasako afo ny tanin’i Môaba ka ho levon’izany koa ireo lapa ao Kiriôta; ho faty ao anatin’ny kotaba ny Môabita, ho faty ao anatin’ny akoran’ady sy ny feon-trompetra.


Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin’ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia nanomboka ny fitetezana tamin’ny andro voalohany i Jônà ka nitory hoe: «Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Ninive.»


Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.


Izany andro izany no handrenesana ny miaramila hitsoka trompetra sy hanao akoran’ady hamelezana ireo tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.


Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».


nefa tamin’ny andro nialan’i Lôta tao Sôdôma, dia nilatsaka toa oram-baratra avy any an-danitra ny afo aman-tsolifara ka nandevona azy rehetra.


«Main’ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an’i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan’ny TOMPO satria nirehetan’ny fahatezerany».


Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitr’izao fahatezerany mirehitra mafy izao?»


Ny tanàna Sôdôma sy Gômôra dia nohelohin’Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an’ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra.


toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra