Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 20:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy ho faty hatrany am-bohoka? Dia ho nahatonga an’i Neny ho fasako izany, ka ho izy no ilay Ambatobevohòka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy mba hahatonga an’Ineny ho fasako ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy ho faty hatrany am-bohoka? Dia ho nahatonga an’i Neny ho fasako izany, ka ho izy no ilay Ambatobevohòka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 noho izy tsy namono ahy hatrany am-bohoka, hahatonga an’i neny ho fasako, na ho voatana ao an-kibony mandrakizay aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, Hahatonga an’ineny ho fasako, Ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an'Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 20:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Na koa naleoko fotsiny tsy ary toy ny zaza tsy azo ka nafenina, dia toy ny zaza tsy nahita mazava.


Afaka miteraka zazalahy zato sy miaina an-taona maro ny olona iray. Saingy, na dia miaina an-taona maro aza izy, kanefa tsy mba voky fahasambarana sy tsy mahazo levenana, dia hoy aho hoe: ny zazarano aza sambatra kokoa noho izy.


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra