Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:23 - DIEM PROTESTANTA

23 TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; aza avela ny helony; ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ary fantatrao avokoa, ry Iaveh ô, ny fiokoan’izy ireo hamonoany ahy. Aza mamela ny helony; aza vonoina eo imasonao ny fahotany; fa aoka hitambotsitra eo anatrehanao izy, ary hasianao amin’ny andro fahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, Fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin’ny andro fahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:23
28 Rohy Ifampitohizana  

Izao no fotoana mety hihetsehanao, TOMPO ô, fa dikain’ny olona ny lalànanao.


Ho menatra sy ho afa-baràka anie izay olona mitady hahafaty ahy! Hihemotra sy hangaihay anie izay mikasa hanao ratsy ahy!


Valio araka ny haratsiany izy, Andriamanitra ô, aripaho amin-katezerana ireo olona ireo.


tsy misy hadisoana vitako velively, kanefa milomay izy mivonon-kijoko ahy.


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin’ny tany ny olombelona; ka tsy hisy hampiarina azy intsony.


Tsy hisy sisa velona amin’ny mponin’i Hanatôta amin’ny taona hirotsahako an-tsehatra hamely azy ka handefasako loza aminy.


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.


Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Dia hoy ireo mpisorona ama-mpaminany tamin’ny mpitondran’i Joda ary koa tamin’ny vahoaka rehetra teo: –Mendrika ho faty io lehilahy io, satria naminany ny hamelezana ity tanàna ity izy, ary ny sofinareo mihitsy no efa nandre.


Koa rehefa tapitra voalazan’i Jeremià ny teny rehetra izay nasain’ny TOMPO nambarany tamin’ny besinimaro teo, dia nosamborin’izy rehetra i Jeremià ka nataony hoe: –Mendrika ho faty ianao.


Tezitra tamin’i Jeremià kosa ireto ka nikapoka azy sady nanagadra azy tao an-tranon’i Jônatàna mpitantsora-panjakana.


Rehefa nandre izany ireo manamboninahitra ireo, dia niteny tamin’i Tsedekià mpanjaka hoe: –Takînay ny hamonoana ho faty an’i Jeremià, satria manakivy tanteraka ny miaramila sy ny mponina sisa ao an-tanàna izy. Tsy mba mitady izay hahatsara ny vahoaka io lehilahy io fa ny hanampy trotraka ihany.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: Hasiako zava-mahasolafaka eo anoloan’ity firenena ity; ka samy ho solafaka sy ho faty eo na ny raiamandreny na ny zanany na ny namany sy ny mpiara-monina aminy.


Noho izany dia izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin’ity tanàna ity amin’ny olona sy ny biby fiompy, ary amin’ny hazo eny an-tsaha sy amin’ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.


Hitanao avokoa ny valifaty nataony tamiko, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.


TOMPO ô, efa renao ny latsa nataony, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.


Satria andro nataon’Andriamanitra ho famaizana izany andro izany, mba hahatanterahan’izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina.


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra