Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 19:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin’ny mpanefy tanimanga, dia makà loholona avy amin’ny vahoaka ary loholona avy amin’ny mpisorona hiaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà zokiolona amin’ny vahoaka sy zokiolona amin’ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Izao no voalazan’ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin’ny mpanefy tanimanga, dia makà loholona avy amin’ny vahoaka ary loholona avy amin’ny mpisorona hiaraka aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Izao no voalazan’i Iaveh: Mandehana mividy tany ho anao; ary ento hiaraka aminao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no lazain’i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin’ny vahoaka sy anti-panahy amin’ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no lazain'i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin'ny vahoaka sy anti-panahy amin'ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà zokiolona amin’ny vahoaka sy zokiolona amin’ny mpisorona,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 19:1
20 Rohy Ifampitohizana  

Avy teo izy naniraka an’i Eliakima mpiandraikitra ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary ireo mpisorona tranainy indrindra izay samy nitafy gony mba hankany amin’i Isaià mpaminany zanakalahin’i Amôtsa


Lasa potipotika ilay manda toy ny vilanin’ny mpanefy tanimanga, izay voadona ka montsamontsana: tsy hahitana intsony na dia silany iray mba hangalana vainafo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-kamory.»


Izao no voalazan’ny TOMPO tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano.»


Nisy nitsangana aza ny loholona ka niteny tamin’ny vahoaka vory teo hoe:


–Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Raiso ny dikan’ny taratasy fifampivarotana voaisy tombon-kase sy ny dika iray misokatra, ka apetraho ao anaty siny tanimanga mba ho voatahiry maharitra ela.


Indrisy! Ireo vaton’i Tsiôna izay sarobidy sady manan-danja toy ny volamena madio dia tonga mitovy vidy amin’ny siny tany, asan-tanan’ny mpanefy tanimanga?


Dia nampian’ny Tompo hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, makà takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanàna eo aminy hoenti-maneho an’i Jerosalema.


Hoy ny Tompo tamiko: «Makà sabatra maranitra ianao, ry ilay taranak’olombelona, ka ampiasao ho toy ny hareza izany. Kikiso ny volondohanao sy ny volombavanao, dia lanjao izay voaharatrao ary tsinjarao telo.


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Anangòny fitopolo lahy amin’ny loholon’i Israely aho, dia izay fantatrao fa loholona sy tompon’andraikitra amin’ny vahoaka. Ento miaraka aminao ao amin’ny Tranolay fihaonana izy.


Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.


Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy hamelezana an’i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.


Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: –Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.


Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an’Andriamanitra fa tsy anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra