Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 18:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Aoka hisy fidradradradrana ho re avy ao an-tranony rehefa mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Ianao; fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Aoka ny fidradradradrany ho re avy ao an-tranony, rehefa tonganao tampoka ao aminy, ny andian-jirika mitondra fiadiana. Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy ireo; sady efa nanafim-pandrika eo anoloan’ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, Raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy Sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:22
23 Rohy Ifampitohizana  

Mihady longoa hianjerako ny mpirehareha; tsy raharahainy akory izay lalànanao.


TOMPO ô, ambeno tsy ho voatanan’ny olon-dratsy aho, arovy tsy ho azon’ny olon-dozabe izay nihevitra handronjina sy hamotraka ahy.


Efa nanafim-pandrika hamelezana ahy ny mpiavonavona: eny, nanenjan-tady sy harato teo amoron-dalana ireo ary nametraka tadivavarana mba hahazoany ahy. Fiatoana


Raha reraka ato anatiko aho, dia fantatrao ny manjo ahy. Eo amin’ny lalana izorako no namelaram-pandrika hamely ahy.


Ny sakaizako sy ny olon-tiako aza mihataka ahy noho ny aretiko; ary ny havako manao tazan-davitra.


Miantsoantsoa mafy, ry olona ao Galima! Mihainoa ianareo ao Laisà, ary mamalia ianareo ao Hanatôta.


Moa tokony hovaliana ratsy ve ny soa? Nefa izy manomana fandrika hamely ahy Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho mba hialan’ny fahatezeranao taminy.


Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty


Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanàna noravan’ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran’ady nony mitataovovonana.


Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»


Ahitana olon-dratsy manko ao amin’ny vahoakako, miandry kendrin-tohina toy ny mpamandri-borona izy. Namela-pandrika tokoa ny olon-dratsy, mba hisamboran’olona.


Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.


Izany andro izany no handrenesana ny miaramila hitsoka trompetra sy hanao akoran’ady hamelezana ireo tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.


Tamin’izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an’i Jesoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra