Jeremia 17:13 - DIEM PROTESTANTA13 Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Ry TOMPO, fanantenan’ny Israely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao ary hosoratana amin’ny vovoka izay miala Aminao satria efa nahafoy NY TOMPO, loharano velona izy. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô. Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 fanantenan’i Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin’ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan’ny rano velona, Iaveh, izy ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ry Jehovah, Fanantenan’ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, Ary hosoratana amin’ny vovoka izay miala aminao, Satria izy efa nahafoy an’i Jehovah, loharano velona. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Ry TOMPO, fanantenan’ny Israely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao ary hosoratana amin’ny vovoka izay miala Aminao satria efa nahafoy NY TOMPO, loharano velona izy. Jereo ny toko |
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: «Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: ‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!› Kanjo ireny kosa no ho menatra.»
«Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambaràna mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin’ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin’ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin’ny taniny. Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no Tompo ANDRIANANAHARY.