Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 17:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Sezafiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Sezafiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ny voalohany ny fitoera-masintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Sezafiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran’ny tranonay masina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ny voalohany Ny fitoera-masintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Sezafiandrianana be voninahitra sady avo hatramin’ny voalohany ny fitoera-masintsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:12
13 Rohy Ifampitohizana  

Naorin’ny TOMPO any an-danitra ny sezafiandrianany, mifehy an’izao rehetra izao ny fanjakany.


Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra dia aza atao tsinontsinona izahay. Tsarovy ka aza itsoahanao ny fanekempihavanana nataonao taminay.


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin’izany toa sezafiandrianana izany, terỳ an-tampon’ny andohalambo dia nisy hoatra endrik’olombelona.


Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra