Dia tonga namangy an’i Jôba avokoa ny rahalahiny sy ny anabaviny mbamin’ny olom-pantany fahiny, ka niara-nihinana taminy tao an-tranony. Naneho fiombonana taminy koa ireo sady nampionona azy noho ny loza rehetra nalefan’ny TOMPO taminy. Ary samy nanolotra fanomezana vola kesita iray sy rojo volamena iray avy ho azy izy rehetra.