Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:15 - DIEM PROTESTANTA

15 fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; eny, hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra avy any amin’ny tany avaratra, sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy. Fa hampodiko amin’ny tany efa nomeko ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra Sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 fa izao kosa: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy; eny, hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:15
26 Rohy Ifampitohizana  

Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin’izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin’ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.


TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo izahay ka angony avy any amin’ny hafa firenena, mba hideranay ny anaranao masina ary hifalianay amin’ny fankalazana Anao.


Fa hamindra fo amin’ny taranak’i Jakôba ny TOMPO; eny, mbola hifidy an’i Israely ihany Izy, ka hampiorina azy indray eo amin’ny taniny. Hikambana amin’ireo ny vahiny mpifindramonina ka hitambatra amin’ny ankohonan’i Jakôba.


Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.


«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.


«Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,


fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.


«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.


Fa teny hentitra avy amiko TOMPO izao: Ho avy ny andro izay hanovako ny anjaran’i Israely vahoakako ary koa ny an’i Joda. Haveriko ao amin’ny tany izay efa nomeko ny razany izy, hoy Aho, ka hizaka azy ho fananany indray.»


«Haveriko avy any an-tany avaratra izy ary hangoniko avy any am-bazan-tany. Ao avokoa mbamin’ny jamba sy ny mandringa, ary ny bevohòka sy ny tera-bao. Eny, vahoaka be no hiverina.


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Fa i Israely kosa haveriko amin’ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna; ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.


«Fa halaiko avy any amin’ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin’ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.


Amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, rehefa hangoniko ho eo amin’ny taniny izy, ka tsy hisy havelako any amin’ireo firenena izay nanaovako sesitany azy na iray aza.


Dia hoy ny TOMPO hoe: «Rehefa afaka izany dia handatsaka ny Fanahiko amin’ny olombelona rehetra Aho, ka haminany ny zanakalahinareo mbamin’ny zanakavavinareo, hanonofy ny lahiantitrareo ary hisehoam-pahitana ny tanoranareo.


Haveriko avy amin’ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanàna efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.


Hamboleko eo amin’ny tany izany nomeko azy izy, ka tsy hongotana hiala eo intsony. Izaho TOMPO Andriamanitrao no efa niteny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra