Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 16:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho›,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay tsy hilazana intsony hoe: Raha velona koa NY TOMPO izay nitondra ny Zanak’Israely niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho›,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Noho izany indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - izay tsy hanaovana itsony hoe: Velona i Iaveh! izay nitondra ny zanak’i Israely niakatra avy any amin’ny tany Ejipta;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 16:14
10 Rohy Ifampitohizana  

satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta! Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko.»


«Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.


–Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.


Indro ny mponin’ity tanàna ity fa hangoniko avy any amin’ny tany samihafa izay nanelezako azy tamin-katezerana sy fahasosorana ary fahavinirana lehibe, ka hamponeniko indray amin’ity toerana ity ary hataoko miaina am-pilaminana eo.


Fa nampiakariko avy tany Ejipta ianareo ary nafahako avy tamin’ny fanandevozana, ka nirahiko hitarika anareo i Mosesy sy i Aharôna ary i Miriama.


Tsarovy fa nandevozina tany Ejipta ianareo, saingy efa nanafaka anareo ilay TOMPO Andriamanitrareo; koa izany no anomezako anareo anio izao didy izao.


Raha miainga hanafika fahavalo ianareo, ka mahita soavaly sy kalesy ary tafika maro noho ny anareo, dia aza matahotra azy; satria ny TOMPO Andriamanitrareo, Ilay nampiakatra anareo avy tany Ejipta, no momba anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra