Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:15 - DIEM PROTESTANTA

15 TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ianao no mahalala, TOMPO ô, tsarovy aho ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; aza dia mandefitra aminy Ianao, fandrao ho afaka ny aiko; aoka ho fantatrao fa noho ny Aminao no nitondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Mahalala izany ianao, ry Iaveh! Tsarovy aho, ahio aho, ary valio izay manenjika ahy. Aza alainao eto an-tany aho, noho ny fandeferanao azy; fantaro fa noho ny aminao ihany no itondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, Ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Hianao no mahalala, Jehovah ô; Tsarovy aho, ka vangio, ary valio izay manenjika ahy; Aza dia mandefitra aminy Hianao, fandrao ho afaka ny aiko; Aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no nitondrako latsa.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:15
42 Rohy Ifampitohizana  

Ary nasaiko nidio tena ny levita ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanokanana ny andro sabata ho an’Andriamanitra. «Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô; ary iantrao aho fa be indrafo ianao!»


Naveriko tamin’ny laoniny ihany koa ny fanaterana kitay araka ny fotoanandro voatondro sy ny fanaterana voaloham-bokatra. «Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô!»


«Mba tsarovy hanasoavana ahy, ry Andriamanitra ô, izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity!»


«Ry Andriamanitra ô, tsarovy i Tôbià sy i Sanebalato araka izany asany izany, ary tsarovy koa i Nôhadià mpaminanivavy sy ireo mpaminany hafa izay nitady hampitahotra ahy.»


Fantatrao tsara ange fa tsy meloka aho, ary tsy misy olona afa-miala eo am-pelatananao.


Mbola teo antsasa-dalam-piainako aho, Tompo ô, no nahenanao ny heriko ary nohafohezinao ny androko.


TOMPO ô, mba tsarovy aho, rehefa anehoanao fitia ny vahoakanao; mba tolory famonjena aho, rehefa mamonjy azy Ianao.


Hiaritra ela toy izao foana ve izaho mpanomponao? Rahoviana ny mpanenjika ahy no hotsarainao?


Efa nandinika ny foko Ianao, ary avy alina namotopototra ahy; nizaha sy nisedra ny toetrako Ianao fa tsy nahita n’inona n’inona hokianina. Tsy niteny ratsy


TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko ary mandrenesa ny fitarainako; aza odian-tsy hita ny ranomasoko fa olona nasaina aho no eto aminao, mpivahiny ihany toy ny razako rehetra.


tsy ho tsinjonao ve izany, Andriamanitra ô, Ianao ilay mahalala ny tsiambaratelon’ny fo?


ary nanao hoe: «TOMPO ô, mba tsarovy fa nandeha tamim-pahamarinana sy tamin-kitsimpo teo anatrehanao aho ary nanao izay tsara eo imasonao!» Dia nitomany nanao ranomaso havozona i Hezekià.


Ianao kosa, TOMPO ô, mahalala ahy sady mahita ahy; nizaha toetra ny foko Ianao fa miandany aminao izy. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin’ny andro fandringanana.


Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilàna ady hoatra ahy eto amin’ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan’olona, nefa ozonin’ny olon-drehetra.


Hataoko manda varahina mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza, Tompo ô, na nirary hiavian’ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.


TOMPO ô, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary asio amin’ny androm-pahatezeranao.


Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.


Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.


Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO ô, no anakorana sy ihomehezana ahy isan’andro.


TOMPO ô, araka izay nataony tamiko no hamalianao azy koa.


Hoenjehinao amim-pahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambonin’ny tany.


Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.


Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Ho halan’ny olon-drehetra ianareo satria miandany amiko,


Aza mamaly faty, ry hava-malala, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no avelao hiasa, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ahy ny famaliana, Izaho no hamaly, hoy ny Tompo.»


Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve, sa fihafiana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fahantrana, sa loza, sa fahafatesana?


Fantatray ny atao hoe fahatahorana ny Tompo, ka miezaka hampanaiky ny olona izahay. Tena mahalala anay Andriamanitra, ary antenaiko fa mahalala ahy ao amin’ny fieritreretanareo koa ianareo.


Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin’izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin’ny voamasoko roa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra