Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hitako ireo teninao ka nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hitako ireo teninao ka nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Vao tonga teo anatrehako ny teninao, dia nohaniko; zary hafaliako amam-piravoravoan’ny foko, satria nantsoina tamiko ny Anaranao, ry Iaveh, Andriamanitry ny tafika ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Hitako ny teninao ka nohaniko, Ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; Fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko; Fa nantsoina tamin'ny anaranao aho, Jehovah, Andriamanitry ny maro ô.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Hitako ireo teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia nody izy rehetra mba hihinana sy hisotro ary hanatitra anjara ho an’ny sasany tsy manana ka nanao fifaliana lehibe. Azony tsara manko ny teny izay nampianarina azy.


Tsy nandà izay didy nambarany aho; fa tao am-poko no nitahirizako izay rehetra naloaky ny vavany.


Ny baikonao no fananako mandrakizay: ireo no fifalifalian’ny foko.


ny lalànanao firavoako, ny teninao fitadîdiko.


Aleoko ny lalàna naloaky ny vavanao toy izay ny volamena amam-bolafotsy miavosa.


Endrey ny fitiavako ny lalànanao; tontolo andro dia izy no saintsainiko.


Madio ny fanajana ny TOMPO, ka maharitra hatrany hatrany. Marim-pototra ny fitsarana avoakan’ny TOMPO ka ara-drariny avokoa;


Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy? Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO ô, ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao.


«Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, aza miseho ho maditra tahaka ireo, fa henoy izay lazaiko aminao. Sokafy ny vavanao ka hano izay homeko anao.»


Fa voaozona ve ny taranak’i Jakôba? Malaky tezitra ve ny TOMPO? Izany ve no fomba fanaony?» Ny teniko dia feno halemem-panahy amin’ireo miaina araka ny hitsiny;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra