Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 14:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Irahin’ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Maniraka ny madinika hantsaka rano ny lehibeny; dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra siny tsy misy rano; menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Irahin’ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano Ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ny lehibeny maniraka ny madinika hantsaka rano; Dia tonga any amin'ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra loha mody; Menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Maniraka ny madinika hantsaka rano ny lehibeny; dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano ka miverina mitondra siny tsy misy rano; menatra sy mangaihay izy ka misaron-doha.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 14:3
23 Rohy Ifampitohizana  

Nananika ny tendrombohitra Analanôliva tamin-dranomaso be i Davida, ka sady nisaron-doha izy no nandeha tsy nikiraro. Ny olona rehetra izay tafaraka taminy dia nisaron-doha avokoa, ka sady nananika ny tendrombohitra no nitomany.


Ny miaramila, tamin’io andro io, dia niditra mangingina tao an-tanàna, tahaka ireny olona menatra satria mandositra an’ady ireny.


Fa nony afaka kelikely dia ritra ilay riaka, satria tsy nisy orana nilatsaka tamin’ny tany.


Aza mihaino an’i Hezekià ianareo, fa izaho mpanjakan’i Asiria kosa miteny aminareo hoe: Manaova fanekempihavanana amiko ianareo ary samia mibaboka atỳ amiko; dia samy hihinana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samy hisotro ny rano avy ao amin’ny lava-pantsakany avy.


Ary niverina nankeo am-bavahadin’ny lapa i Môrdôkay; fa i Hamàna kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.


Diso fanantenana ireo satria samy nanampo, kanjo nangaihay nony tonga teo.


Ny amin’ireo mpiampanga lainga ahy anie dia ny fahafaham-baràka no ho toa akanjo itafiany ary ny henatra no ho toa lamba mandrakotra azy!


TOMPO ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy! TOMPO ô, faingàna hamonjy ahy!


Noho ny fangentan’ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.


Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.


Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.


Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta ka hanaron-tava amin’ny tanana ianao; satria Izaho TOMPO tsy manaiky ny hitadiavanao io karazam-panampiana io, fa tsy hanambina anao izany.


Kanefa Ianao, TOMPO ô, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baràka mandrakizay tsy hohadinoina izany.


Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.


Main’ny hetaheta ireo zaza minono ka miraikitra amin’ny lanilany ny lelany. Mitaky mofo ireo ankizy madinika nefa tsy misy mizara ho azy.


Ny mpiray firenena aminareo raha lehilahy, dia ilazao hoe: «Hamỳ» ary raha vehivavy, dia ilazao hoe: «Rôhamà».


Na dia ny bibidia aza mitodika miandrandra Anao, satria ritra ny renirano ary levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Nivembena nankao amin’ny tanàna iray ny mponina tamin’ny tanàna roa na telo mba hisotro rano tsy nahafa-ketaheta, nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Raha misy firenena amin’ny tany tsy mety hiakatra any Jerosalema mba hiankohoka eo anatrehan’ilay Mpanjaka, izany hoe ny Tompon’izao rehetra izao, dia tsy mba hisy orana hilatsaka eo amin’ny taniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra