Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 14:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Misaona ny Joda ary mivalaketraka ny tanànany; mitafy lamba fisaonana izy ka mipetraka amin’ny tany; ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 «Misaona i Jodà, miferinaina ny vavahadiny, mandry amin’ny tany izy efa rera-po, ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Misaona ny Joda, Ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin’ny tany; Ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Misaona ny Joda, ary mitanondrika ny vavahadiny; Mitafy lamba fioriana izy ka mipetraka amin'ny tany; Ary miakatra ny fitarainan'i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Misaona ny Joda ary mivalaketraka ny tanànany; mitafy lamba fisaonana izy ka mipetraka amin’ny tany; ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 14:2
30 Rohy Ifampitohizana  

Izany no nanesika ny mahantra sy ory hiantso vonjy amin’Andriamanitra; ka henony tokoa ny fitarainany.


Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy, ka ny mandanay anie tsy hisy banga! Samy tsy hisy koa na ny faharesena na ny fibabababàna eny an-kianja!


Nandre ny fitarainan’ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.


Mitaraina ny foko noho ny amin’i Môaba: tonga hatrany Tsôhara sy Heglata-Selisià ny mpandositra. Mitomany ny olona mianika ny fiakaran’i Lohita ary midradradradra mamoy fo eny an-dalana ho any Hôrônaima.


Mitaraina ny olona eny an-dalam-be fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.


«Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin’ny tany koa ny habakabaka any ambony any.»


Misaona ny divay vaovao fa milofika ny rantsam-boaloboka, misento avokoa ireo mpifalifaly am-po.


Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanàna, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin’ny tany.


Misaona ny tany ka milofika, menatra ny tendrombohitr’i Libano ka malazo, nanjary tany hay ny lemak’i Saròna, ringitra i Basàna sy i Karmela.


Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy.


Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»


Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.


Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»


Ren’ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.


Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!


Nanapa-kevitra ny TOMPO fa handrava ny mandan’i Tsiôna. Nampitoviany tantana ny rindrina voazera, ka tsy nisalasala nandrodana Izy. Nitrosina ny manda roa sosona izay samy miara-mihasimba.


Tototry ny tany ireo vavahadin’i Tsiôna; nopotehina sy nomontsanina ny hidiny. Ny mpanjaka sy ireo mpitondra dia eo an-tanan’ny hafa firenena. Tsy misy fampianaran’ny mpisorona intsony; ary na ny mpaminany aza tsy mandray hafatra avy amin’ny TOMPO.


Mahamay toy ny lafaoro ny hoditray satria ampijalijalian’ny mosary izahay.


Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»


Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny ôliva.


Malahelova ianareo mpiasa tany, midradradradrà ianareo mpamboly voaloboka; ny amin’ny vary sy ny ôrza, dia levona ny vokatry ny saha.


Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.


Mangovitra eo anoloany ny vahoaka, ka tera-mena avokoa ny endriny.


Nantsoiko ny fahamainana hamely ny tany: dia ny tendrombohitra, ny tanimbary sy ny tanimboaloboka ary ny tanin’ôliva sy ny tanimboly hafa; hahita faisana amin’izany koa ny olona mbamin’ny biby fiompy ary ny zavatra rehetra nisasaran’ny tananareo.»


ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.


ka izay tsy maty dia voan’ny kitso, ary niakatra ny lanitra ny kiakia-pahoriany.


«Rahampitso, amin’ny ora toy izao, dia halefako ho atỳ aminao lehilahy iray avy amin’ny fokon’i Benjamîna; hatokanao ho filohan’ilay Israely vahoakako izy mba hanafahany azy amin’ny fahefàn’ny Filistinina. Fa efa hitako ny fahorian’ny vahoakako ary efa reko ny antso vonjiny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra