Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 13:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony afaka andro maro dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mankanesa indray any Farà ianao ary alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nony afaka andro maro dia hoy NY TOMPO tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any amin’ny ony Eofrata ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony afaka andro maro dia hoy ny TOMPO tamiko: «Mankanesa indray any Farà ianao ary alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao tany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangàna, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nony afaka andro maro dia hoy NY TOMPO tamiko: Mitsangàna ka mankanesa any amin’ny ony Eofrata ary alao any ny fehikibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia nankany Farà aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian’ny TOMPO ahy.


Dia niverina tany Farà aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin’ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lò tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo.


Ary nijery aho ka indro teo amin’ny habakabaka izay tambonin’ny lohan’ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin’ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin’ireo kerobima ny Tompo.


Ho andro maizina tanteraka rakofan-drahona sy zavona izany. Indro avy ny tafiky ny bibikely, andiany marobe sady matanjaka, ary tahaka ny aloka mandrakotra ny tendrombohitra; tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay sady tsy hisy toy izany intsony any aoriany.


Ary main’ny hafanana be ny olona; kanefa ny manevateva ny anaran’Andriamanitra Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny miala amin’ny toe-dratsiny mba hanome voninahitra an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra