Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 13:13 - DIEM PROTESTANTA

13 dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: «Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity, mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, ny mpisorona ama-mpaminany, ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin’ity tany ity, Dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ny seza fiandrianan’i Davida, Sy ny mpisorona sy ny mpaminany Ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hataoko leo ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, narianao sy nahahakao izahay; kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.


satria Andriamanitra no mpitsara, ka mampietry ny sasany Izy ary manandratra ny hafa kosa.»


Migagà ka mitalanjòna ianareo. aoka ho jamba ka tsy hahita, ho mamo nefa tsy amin-divay, hivembena nefa tsy amin-toaka!


Ireo olona mpampahory anao kosa hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany toy ny mimamo amin’ny divay vaovao. Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»


Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangàna! Nampisotroin’ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin’ny faikany.


Noho izany, ry ilay Jerosalema ory ka mivembena tsy mamon-divay, henoy izao teny ataoko izao:


Dia nentanim-pahatezerana Aho ka nanamontsana ireo hafa firenena; nataoko boboky ny fahavinirako ireny, sady napariakako tamin’ny tany ny rany.


Ndeha lazao amin’ny vahoakan’i Israely sy amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Ny siny rehetra dia natao hofenoina divay!» Ary raha mamaly anao izy hoe: «Fantatray tokoa fa natao hofenoina divay ny siny rehetra»,


Nanafatra ahy ny Tompo hilaza amin’izy rehetra hoe: «Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao, Andriamanitr’i Israely: Misotroa ianareo ka mimamoa sy mandoava ary mianjerà amin’ny tany mihitsy; ka tsy ho tafarina intsony ianareo noho ny fandringanana izay halefako eo anivonareo.»


Ireo tanàna izay natokana ho Ahy aza no nanombohako nandefasana loza, ka ianareo ve no hataoko afa-maina? Tsia, tsy hataoko afa-maina ianareo, fa hiantso sabatra hamely ny mponina rehetra eo amin’ny tany Aho. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»


«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»


I Babilôna dia tsatokaty volamena teo an-tanan’ny Tompo. Nahamamo ny tany manontolo izy; ny divainy efa nisotroan’ny firenena no nahavery saina ireny.


Ho rakotra henatra ianareo fa tsy voninahitra: Misotroa koa ianareo ka mitanjaha! hoentin’ny TOMPO hampibobohany anareo ilay tsangambava feno ny famaizany ka hiova fahafaham-baràka ny voninahitrareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra