Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 13:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ndeha lazao amin’ny vahoakan’i Israely sy amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Ny siny rehetra dia natao hofenoina divay!» Ary raha mamaly anao izy hoe: «Fantatray tokoa fa natao hofenoina divay ny siny rehetra»,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ndeha lazao amin’ny vahoakan’i Israely sy amin’ny vahoakan’i Joda, ry Jeremià, ity hafatra ity: «Izao no lazain’ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely: Ny siny rehetra dia natao hofenoina divay!» Ary raha mamaly anao izy hoe: «Fantatray tokoa fa natao hofenoina divay ny siny rehetra»,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Lazao azy ireo izao teny izao: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.» Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va, fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary lazao aminy izao teny izao: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Ny tavoara rehetra dia hofenoina divay; ary raha miteny aminao izy hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa hofenoina divay ny tavoara rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 13:12
4 Rohy Ifampitohizana  

Toy ny amatoran’ny olona ny fehikibo amin’ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin’ny vahoakan’i Israely sy ny vahoakan’i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy.»


dia hitenenanao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin’ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.


Hisotroany anie izany ka hampivembena sy hahavery saina azy eo anoloan’ny fandringanana izay halefako eo anivony.»


Koa niangavy ahy ny olona mba hanazava aminy ny anton’izao fihetsiko izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra