Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 12:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Nefa nony efa voaongotra izy dia hamindra fo aminy indray Aho ka samy hoentiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin’ny anjara fananany ao amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Saingy rehefa voaongotro, dia hiantrako indray izy ireo. Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany, samy ho any amin’ny taniny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, Ka samy ho entiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Nefa nony efa voaongotra izy, dia hamindra fo aminy indray Aho, ka samy ho entiko mody any amin'ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Nefa nony efa voaongotra izy dia hamindra fo aminy indray Aho ka samy hoentiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 12:15
16 Rohy Ifampitohizana  

fa hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin’ny tany avaratra sy avy any amin’ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho!› Eny, haveriko eo amin’ny taniny izay efa nomeko ny razany izy.»


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.


Kanefa indray andro any kosa i Môaba dia mbola haveriko amin’ny laoniny indray, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.» Mifarana eto ny didim-pitsarana momba an’i Môaba.


Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»


Saingy rehefa tafajoro tsara izy, dia hopotehina ny fanjakany ka hozaraina efatra araka ny vazan-tany efatra, fa tsy hodimbiasan’ny taranany; hongotana ka ho lasan’olon-kafa ny fahefà-manjaka, nefa tsy hanan-kery tahaka ny fanapahan’ilay mpanjaka maherifo.


Haveriko avy amin’ny fahababoana ny Israely vahoakako, ka ireo tanàna efa rava hatsangany sy honenany indray. Hamboly voaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, ary hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.


Tsy hody izahay raha tsy tafapetraka amin’ny zara taniny avy ny Israelita.


«Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho, hoy ny Tompo; haoriko indray ilay tranolain’i Davida izay rava, haoriko indray izay nirodana ka hajoroko.


Ampio ny Israelita hafa mandra-panomen’ny TOMPO azy fitsaharana tahaka ny nataony taminareo, ka hananany ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin’i Jôrdàna; dia samy hiverina any amin’ny zaratany izay nomeko anareo avy ianareo.»


Dia haverin’ny TOMPO Andriamanitrareo amin’ny fiainanareo taloha ianareo sady hamindrany fo, ka hangoniny indray avy any amin’ny firenena rehetra nampielezany anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra