Jeremia 12:12 - DIEM PROTESTANTA12 Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Ny mpandrava dia tonga any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-tany efitra; fa misy sabatry NY TOMPO mandringana hatrany amin’ny faran’ny tany ka tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Ny havoana rehetra any an’efitra dia ahatongavan’ny mpandrava avokoa, fa i Iaveh manan-tsabatra mandevona amin’ny tany rehetra hatraiza hatraiza; tsy misy famonjena ho an’ny nofo rehetra na iza na iza. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Ny mpandrava dia tonga any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr’i Jehovah mandringana amin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny farany koa, Ka dia tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Ny mpandrava dia tonga any amin'ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-efitra; Fa misy sabatr'i Jehovah mandringana amin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny farany koa, ka dia tsy misy fiadanana ho an'ny nofo rehetra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Ny mpandrava dia tonga any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-tany efitra; fa misy sabatry NY TOMPO mandringana hatrany amin’ny faran’ny tany ka tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra. Jereo ny toko |
Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.
Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.
Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, ity andro ity dia ho andro famaizana mba hanafaizany ny fahavalony. Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy ary himamo amin’ny ran’ireo; satria toa sorona vonoina hatolotra amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no any amin’ny tany avaratra manamorona ny ony Eôfrata.