Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ireny andriamaniny izay efa nandoroany ditin-kazo manitra ireny; nefa tsy hahavonjy azy akory ireny amin’ny andro fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia hiainga ny tanànan’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an’ireo andriamanitra nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin’ny andron’ny fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema Ka hitaraina amin’ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin’ny andro fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Dia handeha ny tanànan’ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin’ireny andriamaniny izay efa nandoroany ditin-kazo manitra ireny; nefa tsy hahavonjy azy akory ireny amin’ny andro fahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanaovana fahirano azy, dia mbola nanao izay nahadiso amin’ny TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.


Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.


Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin’ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin’ny fahoriana.


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Amin’izay i Israely hitenenan’ny Tompo hoe: «Aiza ireo andriamani-kafa nataonareo ho vatolampy fialofana?


Ireo no nihinana ny sabora soronareo sy nisotro ny divay fanatitrareo. Aoka ireo hitsangana hamonjy anareo ary ho fierena ho anareo!


Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra