Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hahatonga loza aminy, izay tsy azony andosirana Aho; ary na dia hitaraina Amiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Noho izany, izao no lazain’i Iaveh: «Indro Aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy hohenoiko akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, Dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Koa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hahatonga loza aminy, izay tsy azony andosirana Aho; ary na dia hitaraina Amiko aza izy dia tsy hihaino azy Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:11
35 Rohy Ifampitohizana  

«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy ny mponiny, dia araka izay rehetra voalaza ao anatin’ilay boky novakin’ny mpanjakan’i Joda.


‹Indro Aho hahatonga loza amin’ity tanàna ity sy ny mponiny, dia ny ozona rehetra voasoratra ao anatin’ilay boky izay novakîna teo anatrehan’ny mpanjakan’i Joda.


Eny, ilay Andriamanitra Tsitoha dia tsy mihaino ny fitarainam-poana sady tsy mba miraharaha izany.


Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.


Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako, dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo.


amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.


Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Fampihorohoroana sy longoa ary fandrika harato no miandry anareo, ry mponina eto an-tany.


Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.


Ary raha misy manontany anao hoe: «Hankaiza àry izahay?», dia hovalianao hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: Raha misy natao hasian’ny areti-mandringana, dia hasian’ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin’ny sabatra, dia ho fatin’ny sabatra izy; raha misy natao hiharan’ny mosary, dia hiharan’ny mosary izy; raha misy natao ho amin’ny fahababoana, dia hankany amin’ny fahababoana izy.


«Ankehitriny, ry Jeremià, mitenena amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin’ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo.› »


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


ka milazà hoe: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga loza amin’ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin’izay rehetra mandre izany.


Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin’ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Tsy manan-kisitrihana intsony ny mpitondra; tsy manan-kialofana ny mpiandraikitra andian’ondry.


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »


Mihainoa, ry mponina rehetra eran-tany: Indro hahatonga loza ho an’io firenena io Aho, dia loza vokatry ny hevi-dratsiny ihany, satria tsy niraharaha ny teniko izy sady naniratsira ny fampianarako.


Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin’ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.


«Ry ilay taranak’olombelona, ireto lehilahy ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany. Mihevitra ve izy fa hanaiky hanontaniany Aho?


Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro fa avy ny loza, dia loza tsy misy toa azy!


Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»


toy ny amin’ny olona mandositra liona kanefa mifanehatra amin’ny orsa; na toy ny amin’ny olona tonga ao an-trano sy mitehina amin’ny rindrina, kanefa kaikerin’ny menarana.


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.


Amin’ny anaovan’ny olona hoe: «Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!», amin’iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan’ny vehivavy bevohòka mihetsi-jaza.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra