13 Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»
13 Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny Baala.
13 Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»
13 Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
13 Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; Ary araka ny isan’ny làlamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’i Bala.
13 Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
13 Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo ho an’ilay mampahamenatra, dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an’ny Baala*.
ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.
Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;
Fa ny olon’i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an’ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan’i Joda; sady nataony feno ran’ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.
Nanorina toeram-panasinana ho an’i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an’i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.
fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.
Fa hatry ny fahazazànay dia efa lanin’io fivavahana mahamenatra nanompoana an’i Bahala io ny zavatra rehetra nisasaran’ny razanay, dia ny omby aman’ondriny sy ny osiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy.
Aoka hatory ombàn-kenatra izahay ka hanaiky ny fahafaham-baràka, satria efa nanao heloka teo anatrehanao TOMPO Andriamanitray. Fa na izahay na ny razanay dia tsy nihaino izay nolazain’ny TOMPO Andriamanitray hatry ny fahazazànay ka mandrak’androany.
–Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin’ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan’ny TOMPO sady hadinony ireny?
«Hofoanako tsy hisy ao Môaba, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ireo miakatra amin’ny toeram-panasinana hanao sorona sy handoro zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamaniny.»
Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?
Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.
«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.