Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima iray, nitondra vainafo teny an-tanany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Kinanjo nanidina nanatona ahy ny iray tamin’ireo serafima, nitondra vainafo teny an-tanany, dia vainafo avy nalainy tamin’ny tandra teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vainafo teny an-tànany, izay nalainy tamin’ny tandra avy teo amin’ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia nanidina nanatona ahy ny serafima anankiray nitondra vain'afo teny an-tànany, izay nalainy tamin'ny ny tandra avy teo amin'ny alitara.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny tandra sy ny fitoeran-davenon-jiro dia hatao volamena madio.


Nisy serafima nitsangana teo amboniny, izay samy manana elatra enina avy: ka ny roa nanakonany endrika, ny roa nanakonany vatana, ary ny roa nanidinany.


Avy eo IZY dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe: –Ianao no hanambara ny teniko.


Ary hoy ny Tompo tamin’ilay lehilahy miakanjo rongony: «Midira ao anatin’ny tadio anelanelan’ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia hitako nandeha naka ny vainafo ralehilahy.


dia haka fanembohana nofenoina vain’afo avy amin’ilay alitara izay ao amin’ny Toeramasina sy haka vovoka ditin-kazo manitra eran-tanan-droa, ka hitondra izany rehetra izany ao anatin’ny Toeramasina Indrindra.


Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.


Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho tamin’ny mpivory ka nizarazara nipetraka teny ambonin’ny tsirairay avy.


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Sady izao no voalazan’Andriamanitra momba ny anjely: «Andriamanitra dia nanao ny anjeliny ho rivotra ary ny mpanompony ho lelafo.»


Ireo mpanaraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny toeram-pivavahana jiosy dia tsy mahazo mihinana amin’izay sorona atao eo amin’ny alitarantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra