Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 6:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Dia hoy aho: Lozako! Maty aho, fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra no onenako, nefa ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin’ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ny maro, no efa hitan’ny masoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 6:5
33 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa nahita an’Andriamanitra nifanatri-tava tamiko aho, nefa tsy maty fo aman’aina. Izany no niantsoany io toerana io hoe Peniela, na hoe Tavan’Andriamanitra.


–Iza moa izany mpanjaka be voninahitra izany? –Ilay TOMPOn’izao rehetra izao, Izy no mpanjaka be voninahitra! Fiatoana


Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.


Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra.


Kanefa ianao tsy mahazo mijery Ahy miatrika, satria tsy misy olona hijery Ahy miatrika ka ho velona.


Ary hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin’izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.


Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?


Fa novalian’i Mosesy hoe: –Indro votsa vava aho, ka tsy hihaino ahy mihitsy ny Farao!


Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.


Ary hoy ny Tompo hoe: «Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban’olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.


Ny masonao no hijery ny mpanjaka ao anatin’ny famirapiratany, ary koa hahita ny tany araka ny velarany faran’izay midadasika;


Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin’ny teninareo.


Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nandà ny hijery anay Ianao ary namela anay handevozin’ny helokay.


Ary namaly aho hoe: –Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandahateny.


«Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr’ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn’izao rehetra izao.»


«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.


Dia mivory eo aminao ireo olona anisan’ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan’ny fony.


«Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan’i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan’ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina.


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Noraisin’i Aharôna araka ny tenin’i Mosesy ny fitaovana fandoroana zava-manitra, dia nilomay nankeo afovoan’ny fiangonana izy; ary indro fa efa niantomboka tamin’ny vahoaka ny loza. Nandoro vovo-javamanitra teo izy ka nanao ny fombam-pivavahana hahazoam-pamelan-keloka ho an’ny vahoaka.


Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.


Takatr’i Gidehôna tamin’izay fa anjelin’ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: –Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra