Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Lozan’ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka sady midoroka divay mandra-paharivan’ny andro!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Lozan’izay mifoha vao maraina ka mitady toaka, izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Lozan’ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka sady midoroka divay mandra-paharivan’ny andro!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Loza ho an’izay mihazakazaka hatramin’ny vao maraina mitady fisotro mahamamo, ary manalava ny filerany amin’ny hariva, efa voarehitry ny divay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Lozan’izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ny andro Ka ampirehetin’ny divay!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Lozan'izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan'ny andro ka ampirehetin'ny divay!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 5:11
21 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Barzilay tamin’ny mpanjaka: –Firy taona sisa hahavelomako no hiara-miakatra aminao any Jerosalema aho!


Ny divay mahatonga ho mpaniratsira, ny toaka mahatonga ho mpitabataba, koa izay mimamo amin’izany tsy ho hendry.


nefa amin’ny farany hanaikitra toy ny bibilava ary hanindrona toy ny menarana misy poizina.


Kanjo fifaliam-be no nataonareo: novonoina ny omby sy ny ondry ka fihinanan-kena sy fisotroan-divay moa izao! «Andeha isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty, hoy ianareo.»


Tsy misy divay hosotroina intsony ka foana ny hirahira; mangidy mbamin’ny toaka eo am-bavan’ny mpisotro.


Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.


Dia ho voahitsakitsaka am-paladia ilay tanàna miendrika satroboninahitra, sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma.


Lozan’ireo olona mahery misotro divay sy kinga amin’ny fampifangaroharoana toaka!


«Avia ianareo, hoy izy fa haka divay isika ary hiboboka fisotro mahery! Ho toraka ny androany ihany koa ny rahampitso, fa mbola be dia be ny sisa hosotroina.»


«Lozanareo mampisotro poizina ny namanareo ka mahatonga azy ho mamo sy mitanjaka mba hijerenareo ny fitanjahany.


Eny, mamitaka ny harena: Tsy mahatombina mihitsy ny mpiavonavona, fa homan-dava tahaka ny toeran’ny maty izy ary tsy mety voky toy ny fahafatesana ka dia manangona ny firenen-drehetra ho an’ny tenany sy mamory ny olon-drehetra ho eo ambany fifehezany.


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana.


na ny mpangalatra, na ny mpitia harena, na ny mpidoroka, na ny mpanendrikendrika, na ny mpanao an-keriny, dia samy tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin’izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Ary i Abigaîla tonga tany amin’i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin’ny fanasan’ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon’i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon’i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan’ny andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra