Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 48:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Efa renao ka jereo izany rehetra izany! Moa tsy hanambara izany va ianareo? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Efa nandre izany ianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, Moa hianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’izao, Dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:6
29 Rohy Ifampitohizana  

Izay hendry, aoka hisaintsaina izany sy hahatsapa ny fitiavan’ny TOMPO!


Tanisain’ny molotro avokoa ny fitsipika naloaky ny vavanao.


Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.


Betsaka ny zavatra hitany nefa tsy nisy tadidiny; manongilan-tsofina hihaino izy, nefa tsy misy zavatra reny.


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.


Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.


Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.


Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan’ny androany dia tsy mbola renareo izany sao holazainareo hoe: «Efa fantatray izany!»


Aoka hodinihinareo ny tenin’ny TOMPO ry taranaka ankehitriny! Moa ve efa nanjary mahatahotra toy ny taniefitra na toy ny tany ao anaty haizina Aho, ry Israely? Ry vahoakako, nahoana no ilazanareo hoe: «Efa afaka izahay ka tsy hiverina aminao intsony?»


Antsoy Aho, dia hamaly anao sady hampianatra anao zava-dehibe izay tsy takatry ny saina sady tsy mbola fantatrao.


Ambarao amin’ny firenena ny vaovao, ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana, ampahafantaro fa aza afenina ary lazao hoe: Azo i Babilôna, henatra moa izao ho an’ny sampiny ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny! Henatra moa izao ny an’i Bela, ary haketrahana ho an’i Merôdàky.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!


Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eny amin’ny mazava; ary izay ren’ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano.


tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nampahafantariko anareo.


Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’i Jodea mbamin’i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.


Saingy izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Zavatra tsy mbola hitan’olona maso na ren’ny sofiny na tafiditra tao am-pony akory, no efa nomanin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy.»


Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay ankehitriny, na izay mbola ho avy any aoriana.


Taorian’izany, dia indro hitako nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo tany am-boalohany, izay efa reko niteny tamiko tahaka ny feon-trompetra, no nanao tamiko hoe: –Miakara atỳ, dia hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy manaraka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra