Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 48:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan’ny androany dia tsy mbola renareo izany sao holazainareo hoe: «Efa fantatray izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Vao izao no namoronana azy fa tsy hatramin’ny fahiny dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany, fandrao lazainao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan’ny androany dia tsy mbola renareo izany sao holazainareo hoe: «Efa fantatray izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha; hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao, fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin’ny fahiny, Ary tsy mbola nandre azy hianao talohan’ny andro anio, Fandrao hianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:7
4 Rohy Ifampitohizana  

Ary aza manao hoe: «Efa hitanay ny fahendrena: Andriamanitra fa tsy olombelona no hamaly azy.»


Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.


Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.


Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra