Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 48:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany; eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no nandidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany, Eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, Fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, Ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina no nandidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 dia nambarako taminao hatramin’ny fahiny izany; eny, fony tsy mbola tonga aza izany dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra voarendrika no nandidy izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:5
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.


Raha misy mihambo ho mitovy amiko, aoka izy hiteny sy handahatra momba izany! Hohazavainy amiko hoe iza, hatry ny fahagola, no nampandre ny zavatra tsy maintsy tonga; ary hambarany amintsika koa ny zavatra ho avy.


Aza mangovitra na matahotra ianareo, ry vahoakako. Tsy Izaho ve no nampandre anareo ka nanambara izany taminareo hatry ny ela? Ianareo tokoa no vavolombeloko fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Eny, tsy misy vatolampy hafa, tsy misy fantatro na iray aza.»


Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.


Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»


Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.


araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:


Izany no ambaran’ny Tompo, Izay efa nampahafantatra izany zavatra izany hatramin’ny fahagolan-tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra