Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 48:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy ry Israely izay nantsoiko! Izaho; eny, Izaho no voalohany ary Izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 «Mihainoa Ahy, ry Jakôba, sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, Sy ry Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:12
28 Rohy Ifampitohizana  

Koa ankehitriny henoinareo aho, rey anaka, ary tandremo tsara ny teny aloaky ny vavako.


«Ary ankehitriny henoinareo aho, rey anaka; fa sambatra ianareo manaraka ny sori-dalako.


Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!


Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.


Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.


Izaho dia Izaho ihany no TOMPO, ka tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.


Fa ankehitriny kosa mihainoa, ry firenen’i Jakôba mpanompoko, ry vahoaka Israely izay nofidiko.


Izao no lazain’ny TOMPO dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao sady Mpanjakan’i Israely sy Mpanavotra azy: «Izaho no voalohany ary Izaho no farany, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.


Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba, dia ianareo rehetra sisa velona amin’ny taranak’i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.


Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin’ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotro anareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:


«Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny Tompo, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalàna; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa


Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalànako; aza matahotra izay fanaratsian’ny olona na milefitra amin’ny fanalam-baràka ataony,


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!


Ary ianareo, voaantson’Andriamanitra mba hatokana ho an’i Kristy, dia isan’ireny olona notarihinay ireny koa.


Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.


Kanefa ho an’izay voaantson’Andriamanitra, na Jiosy na hafa firenena, dia i Kristy no herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra;


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.


nanao hoe: –Izay zavatra hitanao dia soraty ho boky ka ampitondray any amin’ny Fiangonana fito: dia any Efeso, Smirna, Pergàmo, Tiatira, Sardy, Filadelfia, ary Laôdisia.


«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.


Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.


«Izao no lazain’ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray:


Izaho no Alfa sy Ômega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra