Isaia 41:2 - DIEM PROTESTANTA2 Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon’ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin’ny zana-tsipîkany toy ny akofa entin’ny rivotra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20112 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra? Iza no nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ary nampietry mpanjaka? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, sy ny tsipìkany ho tahaka ny mololo paohin’ny rivotra? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara2 Tsy Izaho ve no nampipoitra ilay Mpanafaka avy any atsinanana any, ka niantso azy hanainga ny diany, sy nampilavo lefona ny firenena teo anatrehany ary nampilefitra ireo mpanjaka? Nataon’ny sabany lasa vovoka ireny ary naelin’ny zana-tsipîkany toy ny akofa entin’ny rivotra. Jereo ny tokoBaiboly Katolika2 «Iza no nampiakatra avy any atsinanana an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany? Iza no nanolotra azy an’ireo firenena, sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy; ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy2 Iza no nanaitra avy any atsinanana Ilay nomban’ny fahamarinana tamin’ny diany rehetra, Ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, Ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? Jereo ny tokoMalagasy Bible2 Iza no nanaitra avy any atsinanana ilay nomban'ny fahamarinana tamin'ny diany rehetra, ary nanolotra ny firenena ho eo anatrehany, ka nampanapahiny ireo mpanjaka izy? Iza no nanao ny sabany ho tahaka ny vovoka, ary ny tsipìkany ho tahaka ny vodivary voapaoka? Jereo ny toko |
«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia: Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan’ny vahoakan’ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!»