Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 3:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Miampanga azy ny fisehon’ny tarehiny; mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Loza ny manjo azy! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ny fisehon’ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan’ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Miampanga azy ny fisehon’ny tarehiny; mampiharihary ny fahotany tahaka an’i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Loza ny manjo azy! Fa mampidi-doza amin’ny tenany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:9
30 Rohy Ifampitohizana  

Ny mponina tao Sôdôma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin’ny TOMPO.


Nony ampitso dia hoy ilay zokiny tamin-jandriny: –Indro efa nandry tamin’ny raiko aho halina! Andeha hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia tongava ianao handry aminy, dia hamelona taranaka avy amin’ny raintsika isika.


fa tsy nankasitraka kosa an’i Kaina sy ny fanatiny; koa tezitra mafy i Kaina sady nanjombona tarehy.


Dia tonga tany Jizrehela i Jehò. Ary raha nandre izany i Jezebela dia nanao manjamaso sady nandravaka ny lohany ka nankeo am-baravarankely.


Ny olon-dratsy mirehareha hoe: «Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra.» Izany no ambentin-keviny.


Izay mandà anatra manamavo ny tenany, fa izay mihaino tsikera mahazo fahalalana.


Misy karazan’olona izay fatra-pianjonanjona sady manana fijery miandranandrana.


Fa izay diso amiko dia handratra ny tenany, ary izay mankahala ahy dia tia fahafatesana.»


Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:


Hoy koa ny TOMPO hoe: «Miandranandrana erỳ ny andriambavilanitr’i Tsiôna, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin’ny hato-tongony.»


Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.


TOMPO ô, imbetsaka izahay no efa nikomy taminao tokoa; miampanga anay ny helokay ary manjohy anay ny otanay, ka fantatray tsara ny hadisoanay.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia anisan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, no hitrosenany amin’ny tany.


Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan’ireo ho lavo izy; ka amin’ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin’ny tany izy.


Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay; idiran-doza izahay satria efa nanota!


Maimay erỳ ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon’ireo vehivavy janga tsivalahara. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin’ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.


Maimay tamin’ny Babilônianina i Ôhôlibà raha vao nahita ny sary ka nandefa iraka tany amin’ny taniny.


niriko ho fantatra mazava ny amin’ireo tandroka folo teo an-dohany sy ilay tandroka iray izay nipoitra ka nampianjera ny telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso sy nanana vava niteny avonavona mihoa-pampana ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.


Ny maharingana anao, ry Israely, dia noho ianao manohitra Ahy Izay hany mahavonjy anao.


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.


Satria fahafatesana no tambin’ny fahotana, dia ny fanomezan’Andriamanitra maimaimpoana kosa dia fiaina-maharitra mandrakizay ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Ka ny fatiny dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe; io tanàna io no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana sady antsoina koa hoe Sôdôma na Ejipta araka ny heviny ara-panahy.


Dia tonga teo aminy tamim-pahatokiana i Agaga, satria hoy izy anankampo hoe: «Marina fa tsy misy tokony hatahorako fahafatesana intsony.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra