Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 3:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Fa tafintohina i Jerosalema ary potraka i Joda satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà, noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh, mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, Satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an’i Jehovah Mba hihaika ny mason’ny voninanihy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Fa tafintohina i Jerosalema ary potraka i Joda satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra NY TOMPO mba hikomy eo anatrehan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 3:8
35 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanàna tao Sefelà sy tao Negeba izay anisan’ny fanjakàn’i Joda, dia nahafaka an’i Bety-Semesy sy i Aialôna ary i Gederôta mbamin’i Sôkao sy i Timnà ary i Gimzao miaraka amin’ny tanàna kely manodidina azy avy; ka nonenan’ny Filistinina ireny.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodia vato no hikodiavany.


Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.


Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.


Iza moa no esoesoinareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy ianareo ve no zanaka mpikomy sy taranaka mpandainga?


Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin’ny teninareo.


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr’ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.


Ary ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO» dia tsy tokony hotononinareo intsony. Fa moa enta-mavesatra ho an’ny olona tokoa ve ny tenin’Andriamanitra? Tsia, fa raha izany dia avadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely.


–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»


Fa raha tsy mihaino ianareo, dia horavako tahaka ny nandravako ilay tao Silao ity trano ity; ary ny tanànan’i Jerosalema dia hataoko oha-panozonana any amin’ny firenena rehetra eran-tany.»›


Indro tamy ny fahavalo: toy ny rahona no iakarany hanafika, toy ny rambon-danitra no firimorimon’ny kalesiny ary faingana noho ny voromahery ny soavaliny. Very isika, fa ringana tanteraka!


satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.


Ny lotony dia eo amin’ny akanjony; tsy nahatsinjo ny hoavy izy ka gaga noho ny fietreny toy izao, tsy misy mampahery azy akory. «TOMPO ô, jereo ity fahoriako, hoy izy, fa mirehareha ny fahavaloko!»


Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon’ny loholon’i Israely ao amin’ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an’ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: ‹Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy›. »


Ary namaly ahy Izy hoe: –Tsy hita lany mihitsy ny heloka nataon’ny fanjakàn’i Israely sy i Joda: feno vonoan’olona ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna. Ary ny olona dia nifampiteny hoe: «Efa nandao ny tanintsika ny TOMPO ka tsy mahita antsika.»


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Mpanao herisetra ny mpanan-karena amin’ity renivohitra ity; ary mandainga sy mamitaka ny hafa ireo mponina ao aminy.


Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy; ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana. Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon’ny mpamitaka? Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro ô, raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?


Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?


mba hitsara ny olona rehetra; ka hampiaiky ny ratsy fanahy rehetra Izy noho ny asa ratsy rehetra mbamin’ny teny ratsy rehetra nataon’ireo mpanota ratsy fanahy ireo hanoherana ny Tompo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra