Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 27:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy tezitra aminy intsony Aho, kanefa aoka tsy hisy tsilo na songosongo ao; hongotako sy hodorako avokoa ireny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tsy misy fahatezerana ato Amiko. Enga anie ka hisy anjavidy sy tsilo eto anatrehako mba hiadiako! Hohitsakitsahiko ireo ka hodorako avokoa!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy tezitra aminy intsony Aho, kanefa aoka tsy hisy tsilo na songosongo ao; hongotako sy hodorako avokoa ireny!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 tsy manan-katezerana intsony Aho. Aiza no hahitako tsilo sy hery hiadiako? Dia hiroatra hamely an’ireo Aho, ka hodorako izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Tsy misy fahatezerana ato amiko; Enga anie ka hisy hery sy tsilo eto anatrehako hiadiako. Dia hiroatako ireo ka hodorako avokoa!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Tsy misy fahatezerana ato Amiko. Enga anie ka hisy anjavidy sy tsilo eto anatrehako mba hiadiako! Hohitsakitsahiko ireo ka hodorako avokoa!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny olom-poana rehetra kosa dia tahaka ny tsilo fanary ka tsy mba fandrain-tanana.


Izay te hikasika azy dia tsy maintsy mirongo faraingo vy na zaran-defona; ary ireny tsilo ireny dia dorana amin’ny afo eo amin’ny toerana itobiany eo ihany.


Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.


Nesorinao ny heloky ny vahoakanao ary navelanao avokoa ny fahotany. Fiatoana


Ny TOMPO, fahazavan’i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin’ny indray andro monja.


Amin’izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: «Midera Anao aho, TOMPO ô; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.


Ny firenen-kafa kosa hataon’ny afo lasa lavenon-tsokay; ho toy ny kirihitra tsilo voatomboka no handripahan’ny afo azy.


Tezitra mafy ny TOMPOn’izao rehetra izao, ka dia mirehitra izany tany izany ary toy ny levon’ny afo ny vahoakany. Tsy misy olona miantra ny namany:


Izaho manko no mahalala ny hevitra omaniko ho anareo, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hoavy azo antoka no homeko anareo.


Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Fa izay tany maniry tsilo sy songosongo kosa dia tsy misy antony sady efa hiharan’ny ozon’Andriamanitra; ary hodorana no hiafarany.


Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra