Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Fa izay mifikitra eo ambany fiarovako no hamitram-pihavanana amiko; eny, hamitram-pihavanana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Fa raha tsy izany dia aoka hanao Ahy ho fiarovana mafy kosa izy ka hihavana Amiko; eny, aoka hihavana Amiko izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Fa izay mifikitra eo ambany fiarovako no hamitram-pihavanana amiko; eny, hamitram-pihavanana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Afa-tsy raha mifikitra amin’ny fiarovako ny olona, ka manao fihavanana amiko, ka Izaho no anaovany fihavanana!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin’ny heriko kosa izy Ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Fa raha tsy izany, dia aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:5
22 Rohy Ifampitohizana  

Ifankazaro sy ihavano re Andriamanitra dia hiverina aminao ny fahasambarana.


Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»


Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an’ny osa; eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo Ianao amin’ny andro mampahory azy ireny. Fialofana amin’ny orana Ianao sady alokaloka amin’ny hainandro, satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho


TOMPO ô, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.


Iza moa no jamba raha tsy ny mpanompoko? Ary iza no marenina tahaka ny iraka izay irahiko? Eny, iza no jamba tahaka ny mpitondrateniko, ary marenina tahaka ny mpanompoko?


Ao amin’ny TOMPO irery no hahitana hery sy fahamarinana!» Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.


Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»


dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»


Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan’ny tananao izahay rehetra.


«Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina eto aminao tahaka ny reniakoho manomba ny zanany eo ambany elany, kanefa tsy nety ianareo!


Raha tsy azony atao manko, dieny mbola lavitra ilay fahavalo, dia handefasany iraka hanao raharaham-pihavanana.


sady nanao hoe: –Raha mba fantatrao amin’ity andro ity manko izay hanananao fiadanana! Nefa indrisy, takona ny masonao izany!


ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.


Nandefa iraka ho any amin’i Josoa tany an-tobin’i Gilgala kosa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Aza arianao izahay mpanomponao, fa miakara faingana hanampy anay ka afaho izahay! Ireo mpanjaka amôrita rehetra monina any an-tendrombohitra manko dia efa nivondrona hamely anay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra