Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 24:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany ary hilanja ny valin-kelony ny mponina ao aminy; voadoro ny mponina amin’ny tany ka olona vitsy foana no sisa ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Koa levon’ny ozon’Andriamanitra ny tany; ary mitondra fahoriana ny mponina eo aminy noho ny heloka nataony; hihena ireo ka vitsy dia vitsy no ho tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, Ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, Sady voadotra ny mponina amin’ny tany Ka dia olona vitsy foana no sisa ao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany, ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony, sady voadotra ny mponina amin'ny tany ka dia olona vitsy foana no sisa ao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:6
28 Rohy Ifampitohizana  

ary nitolo-batana tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Jôiakina mpanjakan’i Joda sy ny reniny mbamin’ny manamboninahiny sy ny filohan-bahoakany ary ny tandapany. Dia nogadrain’ny mpanjakan’i Babilôna ireo tamin’ny taona fahavalo nanjakany.


Kanefa dia nisy ampahan’ny vahoaka mahantra navelany mba hamboly ny tanimboaloboka sy ny saha.


Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon’afo ny asany hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.


Raha tsy navelan’ny TOMPOn’izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an’i Sôdôma sy ho nitovy tamin’i Gômôra isika.


Eny ana habakabaka ilay sabatry ny TOMPO no mandihindihy toa mamo, ka indro miantonta hamely an’i Edôma, dia ilay firenena voatendry haringana mba ho famaizan’ny TOMPO azy.


Koa dia nataoko afa-baràka ireo mpiandraikitra ny Toeramasina, natolotro haringana ny firenen’i Jakôba ary navelako holatsaina ny vahoaka Israely.


Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.


andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:


Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»


Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao: «Noho izany tenin’ireo vahoaka ireo izany, dia hataoko ho toy ny afo ny teniko izay ampitondraiko anao, ry Jeremià; ity firenena ity kosa dia ho toy ny kitay ka holevonin’izany afo izany.


«Kanefa hakanao ampahany kely ireo volo ireo ka hafeninao anaty paosin’akanjonao.


Halefako hamely anareo ny bibidia, ka hamono ny zanakareo sy handringana ny biby fiompinareo; ary hahavitsy isa anareo ireny ka ho tonga taniefitra ny lalambenareo.


Hiharan’ny ozona ianareo satria Izaho no fitahinareo, dia ianareo rehetra mpiray firenena.


Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!


tena èty kosa ny vavahady mankany amin’ny fiainana ary tena tery ny lalana, ka vitsy no mahita azy.


Ary i Isaià mpaminany dia miantsoantso ny amin’i Israely hoe: «Na dia mifanisa amin’ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny Israelita, dia izay hany sisa tavela tamin’izy ireo ihany no hovonjena;


Iny ianareo efa maro toy ny kintana eny amin’ny habakabaka iny, dia olona vitsy no ho sisa tavela aminareo, satria ianareo tsy nanaiky ny TOMPO Andriamanitrareo.


Haelin’ny TOMPO any amin’ny firenen-tsamy hafa ianareo; ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ny TOMPO anareo.


Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo; ary amin’izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon’ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra