Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 24:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Rava ilay tanàna feno zava-poana; mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Rava ilay tanàna be fikorontanana. Mirindrina ny trano rehetra ka tsy azon’olona idirana;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Rava ilay tanàna feno zava-poana; mihidy ny trano rehetra ka tsy azo idirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Rava ny tanàna fikorontanana; mirindrina tsy azo idirana, ny trano rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Rava ny tanàna be fikorontanana, Mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran’olona;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Rava ny tanana be fikorontanana, mirindrina ny trano rehetra ka tsy azo idiran'olona;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:10
25 Rohy Ifampitohizana  

Izany no niantsoana io tanàna io hoe Babèla, satria tao no nanakorontanan’ny TOMPO ny fitenin’ny olona, ary tao no nampielezany ny olona ho amin’ny velaran’ny tany tontolo.


dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ireo miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ireo ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny zaridainan’ny mpanjaka; ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna i Tsedekià mpanjaka.


Hafatra momba an’i Tiro. «Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny serananareo.» Fony izy tonga avy any amin’ny nosy Sipra no nandrenesany izany vaovao izany.


Zava-mampahonena sisa no tao an-tanàna, rava sy montsamontsana ny vavahady!


Nataonao lasa antontam-bato ny tanàna, noravanao tokoa ny tanàna mimanda; tsy vanon-ko tanàna intsony ny lapan’ny mpiavonavona sady tsy hatsangana intsony na oviana na oviana.


Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanàna sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin’ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin’ny vovoka


Tsy hisy olona intsony ao an-tanànamimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan’ny zanak’omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.


Nilaozana ny lapan’ny mpanjaka, nangina ilay tanàna naresaka; ny faritr’i Hôfela sy ny tilikambo fitiliana dia nanjary toera-malalaka lalandava izay fikarenjen’ny borikidia sy firaofan’ny andiam-biby fiompy.


Amin’izay kosa ho ripaka ny ala noho ny havandra ary harodana hilamaka tokoa ny tanàna.


Ho kianjan’ny tararaka sy ny sokina izy ary honenan’ny vorondolo sy ny goaika. Hohenjanin’ny Tompo eo aminy ny famolaina fandravana sy ny pilao fandrodanana.


Raha vao nahita izany i Tsedekià mpanjaka sy ireo rehetra miaramilany, dia nandositra. Tamin’ny alina no niala tao an-tanàna izy, ka namakivaky ny zaridainan’ny mpanjaka, izay nandalo tamin’ny vavahady eo anelanelan’ny manda roa, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.


Ankoatra izany, dia nodoran’ny Babilônianina ny lapan’ny mpanjaka sy ny tranon’ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan’ny tanàna.


dia nisy noloahan’ireo Babilônianina ny mandan’ny tanàna. Koa nony alina dia nitsoaka nandositra ny miaramila jodeanina rehetra. Na dia voahodidin’ny Babilônianina aza ny tanàna, dia niala tao Jerosalema ihany ireo, ka nandalo ny vavahady tanelanelan’ny manda roa sady takaikin’ny sahan’ny mpanjaka, ary nihazo ny lalana mankany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna.


Miakatra eo alohanareo ny mpamaky lalana; dia hamaky ny vavahady ianareo ary hivoaka ny tanàna. Izy TOMPO, mpanjakanareo, no mandeha mitarika eo alohanareo.


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra