Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 24:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Mitaraina ny olona eny an-dalam-be fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Misy fitarainana eny an-tsaha satria tsy misy ny divay, nihamaizina ny fifaliana rehetra, voaroaka ny firavoravoan’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Mitaraina ny olona eny an-dalam-be fa tsy misy intsony ny divay; nanjavona ny firavoravoana rehetra ary tsy nisy fifaliana intsony teo amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Mihorakoraka eny an-dalambe ny olona, fa tsy misy ny divay; lasa tsy eo intsony ny hafaliany rehetra; foana niala tamin’ny tany ny firavoravoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, Tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Misy fitarainana divay eny an-tsaha, tafalentika toy ny masoandro ny fifaliana rehetra; Voaroaka ny faharavoravoan'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Misy fitarainana eny an-tsaha satria tsy misy ny divay, nihamaizina ny fifaliana rehetra, voaroaka ny firavoravoan’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:11
18 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy, ka ny mandanay anie tsy hisy banga! Samy tsy hisy koa na ny faharesena na ny fibabababàna eny an-kianja!


Aoka izay efa ho faty no homena toaka ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;


Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin’ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin’ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin’ny toeram-pamiazam-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.


Afaka herintaona mahery kely eo, dia ho raiki-tahotra ianareo tsy rototra satria hamono antoka ny fiotazam-boaloboka ary tsy hisy vokatra hangonina intsony.


malahelova amin’ny tanin’ny vahoakako izay rakotry ny kirihitra tsilo; eny, malahelova tokoa ianareo; ny amin’ny korana fanao isan-trano eto amin’ity tanàna revon-danonana ity.


ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.


andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:


Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.


Ren’ny firenen-kafa ny henatrao fa nanenika ny tany ny tolokonao. Nifamingana ny samy mahery fo ka niara-nianjera izy roa tonta.


Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny an-tanimboaloboka sy teny an-tsahan’i Môaba. Tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ary noritiko ny divay tao anaty barîka; foana hatreo ny akoram-pifaliana.


Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.


Maina ny voaloboka, malazo ny aviavimbazaha; toraka izany koa ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihalefy ny fifaliana teo anivon’ny olombelona.


Indrisy efa antomotra ny andro, dia ny androm-pahatezeran’ny TOMPO izay ho tahaka ny fandringanana avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.


Fa hoy i Abrahama hoe: «Anaka, tsarovy fa ampoky ny soa ianao fahavelonao, i Lazara kosa niaritra fahoriana; ankehitriny mandray fiononana izy atỳ ankoatra, ary ianao kosa mijaly.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra