Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 23:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro izay mpizara satroboninahi-panjakana? Ny mpandrantony dia tahaka ny printsy ary ny mpandraharahany anisan’ireo olona nohajaina tetỳ an-tany, ka iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Iza no nikasa izany mba hamelezana an’i Tiro, ilay mpanome satroboninahitra, nefa ny mpivaro-mandeha tao aminy dia mpanapaka, ary olona fanta-daza ny mpivarotra ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro izay mpizara satroboninahi-panjakana? Ny mpandrantony dia tahaka ny printsy ary ny mpandraharahany anisan’ireo olona nohajaina tetỳ an-tany, ka iza no nanapa-kevitra hamely an’i Tiro?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Iza no nandidy izany, hamelezana an’i Tira izay nanome satroboninahitra; ary ny mpandrantony dia andriandahy, ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin’ny tany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Iza no nikasa izany hamelezana an’i Tyro, mpanome satroboninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin’ny tany ny mpivarony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy izy hoe: ‹Moa tsy mitovy lanja amin’ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?


Hataonao ahoana moa no hampandositra ny komandy anankiray amin’ireo manamboninahitry ny tompoko ireo, na dia izay bitika indrindra aza, raha tàhiny ka i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly?


Hangalariny ireo harenao ary horobainy ireo tahirin’entanao. Harodany ny mandanao, horavany ny tranonao tsara tarehy; ka ny vato sy ny hazo ary ny ampiantany tamin’ireny kosa dia hariany any an-dranomasina.


Nohamaroinao ny mpandrantonao ka mihoatra noho ny kintana eny amin’ny lanitra. Tahaka ny voangory àry elatra ireny ka lasa nanidina nanjavona.


Ary i Tiro nanao manda mafy ho azy; volafotsy matevina tahaka ny vovoka no voaangony ary koa volamena mivongana toy ny fotaka eny an-dalambe.


Tsy hamiratra ao aminao intsony ny fahazavan’ny jiro; tsy ho re ao aminao intsony ny feon’ny mpivady vao. Satria ny mpandrantonao no efa mpifehy ny tany, sady ny ody ratsinao no nentinao namitaka ny firenena rehetra.


Noho izany, anatin’ny indray andro monja no hiantontan’ny loza hanjo azy, dia fahafatesana sy fisaonana ary mosary, sady handevonan’ny afo azy; satria mahery ny Tompo Andriamanitra, Izay nitsara azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra