Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 23:9 - DIEM PROTESTANTA

9 –Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonany noho ny hatsaran-tarehy rehetra, sy hanalany ny voninahitr’izay rehetra ankalazaina amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 –Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Jehovah, Tompon’ny maro, no nikasa izany, Mba hampietreny ny fiavonavonan’ny voninahitra rehetra, Sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:9
29 Rohy Ifampitohizana  

Fatrarany henatra ireo olona ambony ary ketrahiny ny herin’ny matanjaka.


Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;


Dia nampiantso an’i Mosesy sy i Aharôna ny Farao ka nanao taminy hoe: –Mangataha amin’ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.


Indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao fa manjera rantsana amin-kerisetra; voakapa ny hazo mijoalajoala, voadaboka ny hazo avo dia avo.


Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia efa nanao fianianana hoe: «Izay noheveriko no ho tonga, izay notapahiko no hiseho.


Fanapahan-kevitry ny TOMPO ho an’ny tany tontolo izany, ary hinji-tanana fandrahonana ataony amin’ny firenena rehetra.


Rehefa nanapa-kevitra ny TOMPOn’izao rehetra izao, iza no hahafoana izany? Rehefa naninji-tanana handrahona Izy, iza no hampihemotra izany?


Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:


Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin’ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin’izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.


«Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»


malahelova amin’ny tanin’ny vahoakako izay rakotry ny kirihitra tsilo; eny, malahelova tokoa ianareo; ny amin’ny korana fanao isan-trano eto amin’ity tanàna revon-danonana ity.


«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»


Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.


«Izao no lazain’ny TOMPO: Hataoko lo tahaka ity fehikibo ity ny zavatra mampirehareha an’i Joda sy mampirehareha fatratra an’i Jerosalema.


avy eo dia milazà hoe: ‹Ny tenanao mihitsy, TOMPO ô, no niteny taminay fa handringana ity tanàna ity ka tsy hisy hitoetra eto intsony na olona na biby fa fahonenana mandrakizay izy.›


«Indro ianao, ry Edôma, fa hataoko osa indrindra eo amin’ny firenena; ka hotsiratsiraina izaitsizy ianao!


Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao.


Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony.


Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa Tompontsika.


Manome antsika fahasoavana lehibe lavitra anefa Andriamanitra, satria hoy ny Soratra Masina: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona, fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra