Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 23:10 - DIEM PROTESTANTA

10 «Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Aoka hiely manerana ny taninao tahaka an’i Neily ianao, ry Tarsisy zanakavavy, fa tsy misy intsony ny zioga!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 «Voleo ny taninao, ry Tiro, ka ataovy toy ny eny amoron’i Neily, satria tsy hisy seranana intsony ho an’ny sambon’i Tarsisy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Mieleza amin’ny taninao, tahaka an’i Nila, ry zanaka vavin’i Tarsisa, fa tsy manam-pehikibo intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ry Tarsisy zanakavavy, Aoka hianao hanafotra ny taninao tahaka an’i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 23:10
11 Rohy Ifampitohizana  

Fatrarany henatra ireo olona ambony ary ketrahiny ny herin’ny matanjaka.


Fa iza moa no Andriamanitra afa-tsy ny TOMPO ihany? Ary iza no vatolampy ho anay afa-tsy ilay Andriamanitray?


Ny zava-maniry eo amin’ny vinanin’i Neily mbamin’ny fambolena rehetra eny amoron’io ony io dia ho maina avokoa sy ho lasan’ny rivotra ka tsy hisy na inona na inona intsony.


Efa naninji-tanana ny TOMPO, mba handrahonana ny ranomasina, efa nampangorohoro ny fanjakana maro Izy, ary efa nanome baiko handravana ireo tanàna mimanda teo amin’ny Kanahanita.


Midradradradrà mafy ianareo, ry sambon’i Tarsisy ô, satria rava ny fialofanareo.»


–Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.


Miala avy ao Tsiôna izay rehetra nireharehany; ary ny mpitondrany dia toy ny diera tsy mahita ahitra hiraofana, ka tsy manan-kery no mandositra eo anoloan’ny mpihaza azy.


Ankehitriny kosa ny mponina amoron-tsiraka dia mangovitra noho ny andro nirodanany; ary ny mponin’ny nosy any an-dranomasina dia varahontsana noho ny nanjavonany.›


Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.


Mbola tsy nanan-kery isika no tonga ny fotoanandro voatendrin’Andriamanitra, ka maty hamonjy ny ratsy fanahy i Kristy.


Raha vao nandre izany tenin’i Samoela izany i Saoly, dia nitsirara tamin’ny tany fa raiki-tahotra mafy. Manampy trotraka izany dia efa ambivitra ny heriny satria tsy nihinan-kanina tontolo andro sy tontolo alina izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra