Isaia 21:9 - DIEM PROTESTANTA9 Ka indro erỳ tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilôna! Torotoro miraraka amin’ny tany avokoa ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Koa indro, avy ny kalesy fitondra miady miaraka amin’olona; soavaly mandeha tsiroaroa! Ary hoy izy hoe: Rava, rava i Babilona! Ary ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Ka indro erỳ tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilôna! Torotoro miraraka amin’ny tany avokoa ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra!» Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Indreo tamy ny olona mitaingin-tsoavaly, ny mpitaingin-tsoavaly, milahatra tsiroaroa.» Dia niteny indray izy ka nanao hoe: «Potraka re! Potraka re i Babilôna! ary ny sarin’ireo andriamaniny rehetra nazerany novakiny tamin’ny tany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Koa, indreo, avy ny olona andiany, Mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Koa indro, avy ny kalesy fitondra miady miaraka amin’olona; soavaly mandeha tsiroaroa! Ary hoy izy hoe: Rava, rava i Babilona! Ary ny sarivongan’ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ny tany! Jereo ny toko |
Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.
Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.