Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 21:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako! Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ry variko velezina ô, voam-barin’ny famoloako, izay reko tamin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, no ambarako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, No nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ianareo izay voavely toy ny vary teo am-pamoloako! Izay efa reko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely, no nambarako taminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 21:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Tamin’ny farany ny tafik’i Jôahaza dia tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimampolo sy kalesy folo ary miaramila mpandeha an-tongotra antokony folo; fa maro taminy no efa naringan’ny mpanjakan’i Siria sy nataony ho toy ny vovoka hohitsahin’ny olona.


Saingy ny vary fanao mofo kosa dia tsy tokony homongoina fa hovelesina; hampanitsahana ny salohim-bary ny fitaovam-pivelezana tarihin’omby, kanefa tsy homongoina tsy akory ny vary.


Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»


Ary hoy ralehilahy io tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, mijere tsara amin’ny masonao, mihainoa tsara amin’ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao atỳ. Avy eo dia hotantarainao amin’ny Israelita izay rehetra hitanao.»


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»


Mitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, ary manosihosy ny firenena amim-pahavinirana.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra