Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 12:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ankalazao an-kira ny TOMPO fa asa lehibe no nataony; ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Mankalazà NY TOMPO, fa asa lehibe no nataony. Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ankalazao an-kira ny TOMPO fa asa lehibe no nataony; ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Mihirà ho an’i Iaveh fa nanao zava-mahagaga Izy; ka aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Mankalazà an’i Jehovah, Fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Mankalazà NY TOMPO, fa asa lehibe no nataony. Aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 12:5
16 Rohy Ifampitohizana  

Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony.


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


Salamo nataon’i Davida. Mihirà hira vao ho an’ny TOMPO fa nahavita zava-mahagaga Izy! Ny hery sy ny fahefana ananany no nampiasainy hahazoam-pandresena.


Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!


Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihirà ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!


Izay sisa velona no manandratra ny feony ka mihoby ny fahalehibiazan’ny TOMPO; avy any andrefana any izy ireo no manao horakora-pifaliana hoe:


Ry vahoakan’i Tsiôna nanankinana vaovao mahafaly ô, miakara eny an-tendrombohitra avo; ry vahoakan’i Jerosalema nanankinana vaovao mahafaly ô, ingao mafy ny feonao ka aza matahotra. Lazao amin’ireo ao tanànan’i Joda hoe: «Indro Andriamanitrareo.


Mihirà hira vaovao ho an’ny TOMPO; miderà Azy avy any am-paran’ny tany ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina sy ianareo mponina any amin’ny nosy.


Aoka hanandra-peo ny tanàna any an-taniefitra sy ny any an-toby fonenan’ny Kedarita! Aoka hihoby ny mponina any amin’ny Harambato; avy any an-tampon-tendrombohitra any no aoka hanaovany hiram-pifaliana!


Miasa ny TOMPO ka mihobia, ry lanitra, ary miravoravoa, ry fanambanin’ny tany. Ataovy manako ny hoby, ry tendrombohitra mbamin’ny ala sy ny hazo rehetra ao, fa ny TOMPO efa nanavotra ny firenen’i Jakôba ary efa naneho voninahitra tamin’ny vahoaka Israely.


Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa tahaka ny anaronan’ny ranobe ny fanambanin’ny ranomasina.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan’ny firenena!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra