Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 9:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy mba ho fanatitra ho an’ny TOMPO; tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny; ho toy ny mofom-pisaonana amin’izy ireo izany, ka ho voaloto avokoa izay mihinana azy. Hahavoky azy ihany ny mofony fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tsy hampidina divay ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady tsy hankasitrahany izany; tsy hankasitrahany ny zavatra vonoiny hatao fanatitra fa ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona; ho voaloto izay rehetra homana izany; fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany ka tsy ho tafiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy ho afa-mandraraka divay intsony izy mba ho fanatitra ho an’ny TOMPO; tsy hahafaly Azy ny sorona ateriny; ho toy ny mofom-pisaonana amin’izy ireo izany, ka ho voaloto avokoa izay mihinana azy. Hahavoky azy ihany ny mofony fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy: ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony; fa toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy, ka haloto izay mihinana amin’izany; satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany, fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an’i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Tsy hampidina divay ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady tsy hankasitrahany izany; tsy hankasitrahany ny zavatra vonoiny hatao fanatitra fa ho toy ny fahan-kanina ho an’ny mpisaona; ho voaloto izay rehetra homana izany; fa ny haniny dia ho an’ny tenany ihany ka tsy ho tafiditra ao amin’ny tranon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 9:4
33 Rohy Ifampitohizana  

Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.


ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Tsy hisy hanome hanina ny fianakaviana misaona na hampionona azy, ary tsy hisy hampisotro amin’ny kaopy fampiononana izay maty ray na maty reny.


Nahoana moa Aho no anafarana vovo-javamanitra avy any Sebà sy veromanitra avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona dorany manontolo ary tsy teliko ny sorona hafa ataony ho Ahy.


Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.»


Dia hanao tahaka an’i Ezekiela ianareo, tsy hisarona endrika ary tsy hihinana ny mofo fanao amin’ny fisaonana.


Hentitra ny fanapahan-kevitr’i Daniela fa tsy handoto tena amin’izay sakafon’ny mpanjaka na ny divay fisotrony izy; koa nangataka tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba tsy hanery azy handoto tena.


Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


Mitafia lamba fisaonana ary mitomania sy midradradradrà, ianareo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ny alitara. Avia ianareo hialina amin’alahelo, ry mpanao fanompoam-pivavahana amin’Andriamanitro: fa tsy misy entina intsony ao an-tranon’Andriamanitrareo na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka.


Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.


Angamba mety hanenina Izy ka hamela fitahiana ho anareo; dia hisy fanatitra vokatry ny tany sy fanatitra araraka azonareo atao ho Azy TOMPO Andriamanitrareo.


Fa ny ain’ny zavaboaary mana-nofo manko dia ao amin’ny ra; ary navelako hampiasaina eo amin’ny alitara izany mba hahazoana famelan-keloka ho anareo, satria amin’ny maha aina azy no ampiasana ny ra hahazoana famelan-keloka.


mba hamepetra an’i Aharôna hoe: «Hatrany hatrany, izay taranakao misy kilema dia aoka tsy hanatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.


Izay mpisorona rehetra misy kilema, amin’ny taranakao, dia tsy mahazo manatona ny alitara mba hanolotra ho AHY ny sorona levonina amin’ny afo; noho izy misy kilema no tsy ahazoany manatona ny alitara hanolotra ny sakafo aroso ho Ahy Andriamaniny.


Voatokana hanompo Ahy izy, ka tsy hanala baràka ny anarako, satria izy no mpanolotra ny sorona levonina amin’ny afo, dia ny sakafo aroso ho Ahy TOMPO Andriamaniny; noho izany, tokony hitandro ny maha olona voatokana azy ny mpisorona.


Ianareo Israelita kosa dia aoka hihevitra ny mpisorona ho olona voatokana, satria ny sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo no atolony. Eny, aminareo ny mpisorona dia ho olona voatokana; satria Izaho TOMPO, Izay nanokana anareo Israelita ho vahoakako, dia masina.


Na dia anateranareo sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy hankasitrahiko izany; ary tsy hojereko akory ny zanak’omby matavy aterinareo ho sorom-pihavanana.


Ary izao koa no mbola ataonareo: ataonareo hotsa-dranomaso ny alitaran’ny TOMPO; mitomany sy midradradradra ianareo, satria tsy miraika amin’izay fanatitrareo intsony Izy ary tsy manaiky intsony izay zavatra aterinareo aminy.


«Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny fito andro.


«Aoka hotandremanareo ny hanolotra ho an’ny TOMPO, amin’ny fotoana voafetra, ireo fanatitra ho Azy, dia ny sakafo izay hodorana ka hanetona ho hanitra ankasitrahiny.


Hamelatra lamba volomparasy eo amin’ny latabatry ny mofo aseho izy ka hametraka ny lovia, ny kaopy, ny tsatokaty ary ny zinga fampidinan-divay; hapetrany eo koa ny mofo izay haseho lalandava eo anatrehako.


Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an’izao tontolo izao!


Ireo zavatra ireo tsy nisy nohaniko fony aho nisaona, na navoakako ny tranoko fony aho naloto ara-pivavahana, na nomeko hatao fanatitra noho ny maty; fa efa nihaino ny feonao aho, ry TOMPO Andriamanitro, ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra